Aug
30

Tamin'ny zoma 18 Aogositra 2023 dia nihaona tamin'ireo mpikambana ao amin'ny "Bureau du Comité des Comptabilités Publiques de la SADC " na SADC OPAC, izay tarihan'Andriamatoa Warren Chisha Mwambazi, Andriamatoa Filohan'ny Fitsarana momba ny Kaonty.
Nandritra ny fihaonana dia nodinihana manokana ny fomba hanamafisana ny fifandraisana sy fiaraha-miasa eo amin'ny Andrimpanjakana ambony Mpanara-maso ny volam-panjakana sy ny Antenimiera roa tonta eto Madagasikara.
Hisy arak'izany ny fizarana traikefa iarahana amin'ireo Andrimpanjakana mpanara-maso ny volam-panjakana eo anivon'ireo firenena mpikambana ao amin'ny SADC izay efa miara-miasa akaiky amin'ny Parlemanta any aminy.